tontolo isainako
Nampidirin'i apache | 8 Mey, 2006Voaloham-pejy, voalohan-teny, vahaolam-piainana, tontolo isainana.
Ny zavatra hohitanao ato anatin'ity gilaoby ity dia zavatra teny misy eto Madagasikara saingy tsy ny olona rehetra no mahalala izany ka dia izay no antony itantarako anao azy eto androany.
Any amin'iny faritra atsimo antsinanan'ny nosy iny no misy ity fomba iray entiko eto androany ity. Fomba efa nisy taloha izy ity ary nofohanan'ny fanjakana saingy mety haverina indray amin'izao fotoana izao satria tsapa fa miha-mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-jiolahy any amn'iny faritra iny. Tsy inona izany fa ny "didy menavozo".
Ny "didy menavozo" dia didy ifampifehezan'ny fiaraha-monina ho fitsinjovana ny fandriam-pahalemana. Zavatra tena nisy no hotantaraiko aminao.
Fifamaliana teo amin'ny mpivady no niandohan'ny tantara. Tsy naharesy dohika an'ilay ramatoa anefa ilay rangahy ka avy dia nanangan-tsandry. Niainga avy hatrany "maôsy gery" narahina "Combo" ka tonga dia "perfect"; maty tsy tra-drano ilay ramatoa.
Nosamborin'ny fokonolona rangahy, nofatorana, notaritaritina toy ireny mitarika omby ireny eny an-tanimbary ary rehefa nahita trasy milailay dia samy nidaroka daholo izay te hidaroka. Ny an'ilay ranamana iity izao dia tao anaty fotaka no nanitsakitsahana azy, izy amin'io mifatotra. Ny hany azo ataon'ny havany dia ny miantso mpitandron'ny filaminana. Raha tonga ara-potoana moa ity farany, dia mety ho avotra ihany ilay razoky. Somary lavitra ny tanana ihany anefa no misy ny tobin'ny zandarimaria ka matetika dia faty no vantanin'ireto farany.
Tsy ny famonoana olona ihany no mety hahavoan'ny didy menavozo, eny fa na dia ny halatra madinidinika toy ny halatra akoho sy mangahazo koa aza.
Efa maro ny olona novonoina tamin'ny didy menavozo ka tandremo ihany reto rehefa mandeha any amin'iny faritra atsimo atsinanana iny fa ....